SOMBIM-BAOVAO

Nifarana afakomaly teo, tao Afrika Atsimo, ny dian’ny Barea zandriny U23, mankany amin’ny lalao olympika 2028, rehefa lavon’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 3 no ho 2. Tsiahivina fa teo amin’ny fihaonana mandroso, efa resin’i Afrika Atsimo, 1 no ho 0, ny Malagasy mpilalao. Tsy nahita fahombiazana mihitsy izany ny ekipa nasionaly malagasy afa-tsy ilay nandresy tsy niady tamin’i Comores.

Hanatanteraka fitiliana vehivavy mpilalao manan-talenta amin’ny baolina kitra, ny Federasionina. Hatao ny sabotsy ho avy izao izany, any Antsirabe, ka ireo izay teraka 2012-2013 ihany no afaka miatrika izany, raha ny fanazavana azo. Hanao ny fitiliana amin’izany, ilay mpanazatra nirahan’ny Fifa, Jean Jacques Pierre. Marihina fa efa nandeha ny tany Toliara ity fitiliana ity.

Araka ny vaovao navoakan’ny Federasionina malagasin’ny Judo, omaly, tafiditra anatin’ireo firenena folo tsara indrindra aty Afrika i Madagasikara, ary eo amin’ny fahafolo no misy ny Malagasy. Tsiahivina fa anisan’ny nahatsara ny isan’ny Malagasy tamin’ity filaharana ity ny fahazoan’ireo mpikatroka malagasy medaly volafotsy nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika farany teo iny.

Partager sur: