Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2026»: I Tendry no hanao ny «tirs de précision»

Nanainga ary nihazo an’i Thaillande, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy ny taranja tsipy kanetibe. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, tanterahina ao Khon-Kaen ny 20-24 novambra ho avy izao. Fantatra fa hiatrika ny fifaninanana mitifitra «tird de précision», i Tendry. Hiady eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’olon-telo miaraka, araka izany, i Balôty sy i Liva miampy an’i Lova. Raha ny fandaharam-potoana, ny «tir de précision» no hisantatra ny fifaninanana. Ny alahady vao handeha ny fihaonana ho an’ny olon-telo miaraka. Hitohy ny alatsinainy izany ka hiatrika ny amboaran’ny firenena “coupe des nations”, izay nihintsana. Arahin’ny “tour de cadrage” amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany sy ny lalao ampahavalon-dalana sy ny ampahefa-dalana. Ny talata ny manasa-dalana amin’ny “coupe des nations” sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, miaraka amin’ny famaranana. Hotanterahina mandritra ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity koa ny kongresy iraisam-pirenena.

Tompondaka

Partager sur: