FANTINA sy FINTINA

Tao anatin’ny fanamarihana faha-10 taona nisokafan’ny masoivohon’ny Repoblikan’i Korea Atsimo, nanokatra ny Fihaonamben’ny mpandraharaha ara-toekarena eo amin’i Korea Atsimo sy i Madagasikara teny amin’ny CCI Ivato, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice. Vonona ny governemanta malagasy hanamafy ny fifanakalozana ara-barotra sy ny ampiroboroboana ny fampiasam-bola.

Nodimandry omaly ny mpisolovava, Me Rakotoson Haja, mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita (CST) teo aloha tamin’ny krizy 2009, ary nandray anjara tamin’ny raharaham-pitsarana nafana teto amin’ny firenena. Re tamin’ny adihevitra momba ny raharaham-pirenena sy ny fanajana lalàna koa izy : nivahiny amin’ny fandaharana amin’ny haino vaky jery, anisan’ireo mpisolovava nanana ny maha izy azy.

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, i Eranaivo Fanirisoa, tao amin’ny TVM sy ny RNM, afakomaly, fa tsy afa-kaneho ny fijeriny momba ny fitsarany ny “Raharaha Ambohimalaza” izy. Mety hanova ny fanapahan-kevitry ny mpitsara izany. Azo halefa mivantana toy ireny ny fitsarana ireo raharaha lehibe. Azo anjehina ara-pitsarana ny mpitondra teo aloha na tsy mizaka zom-pirenena malagasy sy any ivelany aza, rehefa misy ny fifanarahana ara-pitsarana amin’ny firenena misy azy.

Partager sur: