Madagasikara sy Alemaina : Matotra ny fiaraha-miasa amin’ ny fanorenana ifotony

Mifanaraka amin’ny fandaharanasa ho an’ny fanorenana indray ny Repoblikan’i Madagasikara ny tolotry ny Repoblika Federalin’i Alemaina. Izay ny fanambarana iombonana eo amin’ny fiaraha-miasan’i Alemaina sy i Madagasikara.

Taorian’ny fifampiraharahana teo amin’ny governemantan’ny roa tonta, nosoloan’ny delegasiona alemaina notarihin’ny lehiben’ny departemanta, Dr Silvia Mor­genroth, andaniny; ankilany, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ramarolahy Tojonirina, teny amin’ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Miankina amin’ny fanarahana ny tondrozotra tetezamita ny fandaharanasa, indrindra ny fandaminana ny fifidianana malalaka sy mirindra ary ara-drariny. Eo koa ny foto-kevitra fototra: fahalalahana maneho hevitra, fahalalahana mivory, fifanakalozan-kevitra ara-politika, ady amin’ny kolikoly, fanjakana tan-dalàna, fanajana ny zon’olombelona.
Niaraha-namaritra ny lalan-kizoran’ny fiaraha-miasa ho an’ny taona ho avy. Nohamafisin’i Alemaina ny fiaraha-miasa, efa nahitam-bokatra teo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ny angovo azo havaozina, ny fambolena sy fiarovana ara-tsakafo, fitantanana tsara, ary fitsinjaram-pahefana. Eo koa ny fanatsarana ny fitantanana ny faritra arovana, ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo ala, ny fanomezana herinaratra any ambanivohitra, ny fanohanana ny fambolena, ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ny tanàna sy ny fitsinjaram-pahefana. Ireo no hampiasana ny vola 56,5 tapitrisa Euros amin’ny famatsiam-bola vaovao hanohanana ny hetsika fiaraha-miasa alemà ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Misy 46,4 tapitrisa Euros izany ho an’ny tetikasa fiaraha-miasa ara-bola ary 10,1 tapitrisa Euros ho an’ny tetikasa fiaraha-miasa ara-teknika.

R. Nd.

Partager sur: