“Tsy maintsy tanterahina aloha ny dinika politika mialoha ny fikaonandoham-pirenena. Mandeha izay resaka izay eo anivon’ny Fanjakana. Ezahina ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena handaminana ny toe-draharaha”. Io ny ny fanazavan’ny filohan’ny MFM sady mpandrindra ny Vovonana miaro ny fanovana miatrika ny Repoblika vaovao (VMFR), Randrianirina Jean-Ignace, taorian’ny famoriana antoko politika teny Amparibe, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika ankehitriny. Mba hananan’ny Fanjakana ny maha ara-drariny azy izany, fa efa nomen’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny maha ara-dalàna azy. Fanomezana ny fankatoavana ataon’ny politika ny fitondram-panjakana ny dinika politika. Faharoa, fampandraisana anjara ny vahoaka manontolo amin’ny alalan’ny fifidianana. Izay no antony.
“Tonga dia apetratsika amin’ny hoe fizarana seza ny dinika politika. Raha izay hatrany no eritereretina, mankalilo ny sofin’ny olona. Ny dinika politika tadiavantsika: ahoana no hisiana fandaminana eto amin’ny firenena?”, hoy izy. Hisian’ny fitoniana hirosoana amin’ny fanatanterahana ny dinika politika. Ny hevitry ny VMFR: miditra amin’ny tetezam-panavaozana, havaozana ny rafitra rehetra hiatrehana ny fifidianana. Tsy fahaizana mifampiresaka ny seza tamin’ny 2009, ka ny vahiny no nanery tamin’ny alalan’ny ankolafy politika. Tao anatin’izay, nizara seza ny ankolafy. Voatery ho izay amin’izao… Mifampiresaka aloha ny samy Malagasy: inona no hatao eo anatrehan’izay? Anjarantsika amin’izay ny mandamina ny firenena. Raha ny hevitry ny VMFR, tsy maika ny fanovana governemanta. Lasa mandany fotoana be eo amin’ny asa. Aleo aloha handeha amin’izao ny governemanta, fa ny dinika politika no mamaritra an’izay.
R. Nd.





