Fikaonandoham-paritry ny MMM : « Ilaina ny fandaminana sy ny fandrindrana fomba fiasa »

Faritra faha-18 nanatanterahan’ny antoko Mala­gasy miara-miainga ny fikaonandoham-paritra ny tany Menabe ny herinandro teo. Nambaran’ny filoha na­sionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa fom­ba roa ihany no ahazoana vokatra. « Anisan’iza­ny ny fandaminana sy ny fandrindrana ny fomba fiasa. Antoka hahavitana ny tokony atao sy hanatrarana tanjona ireo. Mila ma­zava ny andraikitry ny tsirairay ary ilaina ny fiaraha-mientana anaty fifampitokisana mba hahitana vokatra », hoy izy. Nanteriny fa natao hanairana ny tompon’andraikitra sy ny FKM ary ny fitondrana izao fitetezam-paritra ataon’izy ireo izao. Efa misy fandaminana entin’ny FFKM miaraka amin’ny tan-tsoroky ny fanjakana, araka ny nambarany. Ilaina hapetraka hatrany kosa anefa ny fomba fiasa. Anisan’izany ny fanazavana mialoha. « Tsy hita anefa izany ka noraisinay amin’ny maha antoko anay ny andraikitra amin’ny alalan’izao fikaonandoha-paritra izao », hoy izy.
Voatsiahy tamin’izany koa fa antoko demokraty, hery afovoany mikatsaka fifandanjana ara-toekarena sy rariny ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fifampiresahana ny MMM. Nivoy hatrany hatramin’ny niorenany ny fametrahana fitsinjaram-pahefana tena izy, ahafahan’ny faritra mitantana ny hareny sy mamaritra ny fampandrosoana mifanaraka amin’ny filany ka hizorany amin’ny fampandrosoana. «Zava-dehibe ao anatin’izany ny fametrahana ny faritra mahazaka tena », hoy izy. Mbola nohamafisin’ny MMM fa tsy manome antoka fifidianana madio sy eken’ny rehetra ny Ceni amin’izao endriny izao ary anisan’ny nahatonga krizy ny kisaritsarim-pifidianana nisy teto. « Niteraka fahantrana izany ka tsy azo ekena intsony », hoy ihany ny MMM.

Synèse R.

Partager sur: