Nanaiky ny maha zava-dehibe ny fanadiovana ny fanjakana, nolaniana tamin’ny filankevitry ny minisitra ny volana septambra lasa teo izany. Ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana ary fidiovana, amin’ny alalan’ny PIAA 2 no manatanteraka izany, hoy ny minisitra, Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia.
Ho an’ny asa anatin’ny Opération 1, mahatratra 42% ny taham-pahavitan’ny fanamboarana sy fanatsarana ny lakandrano ao afovoan’ny tanànan’Analakely sy Antanimena. Efa hiditra amin’ny dingana fahatelo izao ny asa eo Analakely ary mitohy hatramin’ny faran’ny taona. Hiditra amin’ny dingana fahefatra ny orinasa ny janoary, araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny tetikasa PIAA 2, Razakamahefa Oyo nandritra ny varavarana misokatra ho an’ny Fandaharanansa mirindra momba ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo andiany faharoa (PIAA 2) teny amin’ny Parvis Analakely, omaly.
Ho an’ny Opération 2, momba ny asa fanamafisana ny fotodrafitrasa fanalana rano maloto sy miangona amin’ny faritra manodidina ny kianjan’i Mahamasina kosa, 45% ny tahan’ny fahatontosan’ny asa. Raha atambatra ireo, 41% ny fahavitan’ny asa izay napetraka ho tanterahina tao anatin’ny 24 volana. Nanomboka ny volana avrily 2026 hatramin’ny marsa 2028 ny asa ho an’ny eo Analakely sy Antanimena ary Mahamasina.
Zava-dehibe ny fametrahana fantsona lehibe any ambanin’ny arabe hanariana ny rano ho an’ny opération 1 sy 2 satria ankoatra ny fitomboan’ny mponina, mitombo ny ranonorana. Handray ny rano rehetra ary hanary azy any amin’ny lakandranon’Andriantany ny fantsona lehibe. Mpamatsy vola ny fandaharanasa ny AFD sy ny Vondrona eoropeanina ary ny masoivoho frantsay.
Ankoatra ny varavarana misokatra, nomarihina teny Analakely koa ny Andro maneran-tany ho an’ny kabone. 58% ny Malagasy no manana toeram-pivoahana manaraka ny fenitra, araka ny fanadihadiana. Mpisehatra 20 amin’ny fanadiovana sy ny rano no hanentana ny mponina mandritra ny roa andro momba ny fitantanana ny maloto sy ny fako ary ny fisorohana ny loza ateraky ny tondradrano eto an-dRenivohitra.
Vonjy





