Tsy niala fa nanotrona ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany i Iaro Razanakoto, mpanao Rallye mipetraka any Thaïlande. Nitsena teny amin’ny seranam-piaramanidina, avy eo nanome vola ho fankasitrahana noho ny maha tompondaka maneran-tany ny ekipam-pirenena.
Mpanohana voalohany naneho fankasitrahana ny fandresen’ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondiaux 2026”, natao tany Thaïlande, Razakoto Iaro. Izy izay mpanao Rallye mipetraka any an-toerana. Ora vitsy taorian’ny fahavitan’ny lalao famaranana, ny talata lasa teo, nanolotra lelavola 10 tapitrisa Ar ho an’izy dimy mirahalahy ny tenany. Nahitana ny mpilalao efa-dahy: i Lova, Liva, Balôty ary i Tendry, miaraka amin-dRatsimba Hery, mpanazatra. Ankoatra izany, noraisiny tao an-tokantranony, tany Thaïlande, ny delegasiona malagasy sy ireo mpiray tanindrazana miasa any an-toerana. Ankoatra an’i Iaro, efa niarahaba izao fandresena miezinezina azon’ny tsipy kanetibe izao koa ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika malagasy, ny kolonely Randrianirina Mickaël.
Tsiahivina fa anisan’ireo nijery sy nanatrika ny famaranana nikatrohan’ny Malagasy sy i France, tao amin’ny Kianja Khon Kaen, i Baggio Nomenjanahary, mpilalaon’ny Barea teo aloha. Raha hiverenana ny dingana vitan’ny Malagasy nandritra ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026 ity, faharesena tokana ihany no hany nihatra tamin’i Madagasikara dia ny teo anatrehan’i Thaïlande, tany amin’ny fihodinana fahadimy, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona. Ekipa afrikanina daholo kosa no resin’ny Malagasy nanomboka teo amin’ny ampahavalon-dalana ka hatrany amin’ny ankatoky ny famaranana. Nandresy an’i Algerie, 13 no ho 0, teo amin’ny ampahavalon-dalana. Nanilika an’i Senegal, 13 no ho 12, nandritra ny ampahefa-dalana ary nandavo an’i Burkina Faso, 13 no ho 6, teo amin’ny manasa-dalana.
Tompondaka





