Nosantarina omaly, teny Ankatso, ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny Soamiditra. Niorina ny taona 2013 ny mention Communication, Médiation, Médias et Organisations (COMMO) na Zanatsehatra serasera fa 21 taona kosa ny lalam-piofanana Serasera sy fifandraisana eo anivon’ny Département interdisciplinaire de formation professionnelle (DIFP), eo anivon’ny fakiolten’ny Haisoratra sy ny siansa maha olona. 20 taona ny Soamiditra izay hetsika fandraisana ireo mpianatra vaovao ao anatin’ny tontolon’ny serasera sy ny fifandraisana, araka ny fanazavan’ny talen’ny zanatsehatra COMMO, Dr Raharinirina Zinaha, omaly, teny Ankatso.
Mahatsapa ny mpanao gazety sy ireo misehatra amin’ny asa serasera fa sarotra ny asa ka anjaran’ny mpampiofana no mitady izay hahatsara ny asa. Ho an’ny lafiny akademika, mila fantarina ny fenitra misy sy ny tokony hianarana miainga amin’ny filan’ny fiarahamonina. Hifototra amin’izany ny fifampizarana mandritra ny hateloana, hijery ny zavatra iainan’ny olona tokony ho fantatra ahafahana manavao ny vontoatim-pampianarana.
Mivoatra hatrany ny fiainana fa anjarantsika no miatrika azy, ohatra, ny fikirakirana ny IA. Beazina ny olona hampiasa sy hampiaina azy satria ny olombelona no ivon’ny zava-drehetra. Ao anatin’ny fanavaozana, hofanina ny olona hanana etika sy hampiasa ny IA amin’ny mety.
Vonjy





