INDRAY MIJERY

Ahitana tolotra mahazatra toy ny fanomen’ny oniversite rehetra ao amin’ny Zanatsehatra serasera. Hita ao ny fiaraha-miasa manofana ny olona tsy manana bakalorea misehatra ao anatin’ilay asa. 1 800 hatramin’ny 2 000 ireo manao fangatahana hanaraka fianarana ao amin’ny COMMO fa 100 no azo raisina isan-taona. Napetraka, noho izany, ny fiofanana ampitain-davitra ho an’ireo efa miasa na tsy tafiditra amin’ny fandraisana mpiofana anatin’ny efitrano.

Nofaranana tamin’ny fanolorana fitaovana sy taratasy fanendrena ireo “Warners” ao amin’ny faritra Anôsy ny atrikasa tany Taolagnaro momba ny fanamafisana ny rafitra fanairana mialoha sy ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, ny herinandro lasa teo. Olona voatendry sy miasa an-tsitrapo ny warners, mampifandray ny vondrom-piarahamonina amin’ireo rafitry ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza amin’ny alalan’ny fanangonana sy fampitana haingana ireo vaovao sy tranga eny ifotony mifandraika amin’izany.

Partager sur: