Ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida : Hisy fitiliana maimaimpoana sy fanentanana eny amin’ny Esplanade Ankatso

Ahitana tranoheva ho an’ny fanentanana sy fitiliana ny tsimokaretina VIH ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, eo amin’ny Esplanade Ankatso, ny 1 desambra ho avy izao.

Manodidina ny 50 000 ny isan’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo.
Miara-miasa ny oniversi­ten’Antananarivo sy ny Mé­decins du monde amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny VIH /Sida, ny1 desambra ho avy izao. «Mpisehatra amin’ny fahasalamana ny Médecins du monde, ny oniversite kosa amin’ny maha toeram-panofanana sy fanabeazana tanora. Samy mahatsiaro manana adidy hanao tolo-tanana amin’ ny ady ny roa tonta», hoy ny talen’ny kabinetran’ny oniver­siten’Antananarivo, Rakotoari­soa Victor James, omaly, teny Ankatso.
Hisy hetsika hatao eny amin’ny Espalanade Ankatso mandritra ny tontolo andron’ny 1 desambra. Fanentanana ny tanora hiroso amin’ny ady anatin’ny fisorohana ny VIH sy ny aretina hafa mifanaraka amin’izay. Eo koa ny fitiliana maimaimpoana.
Raha misy olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina, vonona ny Médecins du monde handray an-tanana feno ny fikarakarana sy ny fi­tsaboana mifandraika amin’izay, araka ny fanazavana. Samy manana ny fiainany manokana ny tanora nefa tsy tokony hahamenatra ny fanatanterahana fitiliana satria tsy avy amin’ny firaisana ara-nofo irery fa misy fomba maro mety hahazoana azy.
Manana toeram-pitsaboana sy ara-tsosialy ny oniversiten’ Antananarivo, ahitana CSB II koa mpiara-miasa. Efa nanao fanairana avokoa izy ireo fa misy mpianatra mitondra ny tsimokaretina voatily rehefa nandalo nizaha fahasalamana teny ka tena zava-dehibe ny hetsika amin’ny 1 desambra io. Tsy ho an’ny mpianatra fotsiny ny hetsika fa ho an’ny daholobe afaka ma­nao fitiliana, maka vaovao momba ny fiarovana sy ny fitsaboana.
Ankehitriny, variana ny olona nefa tombanana ho 150 000 ny olona efa mitondra ny tsimokaretina raha noheverina fa 9 000 izany ny faran’ny taona 2025.
Eo anivon’ny toeram-pitsirihana, manodidina ny 2,30% ny tahan’ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina tamin’ny alalan’ny fitiliana.

Vonjy

Partager sur: