Nisy ny filankevitry ny governemanta, afakomaly, nanapa-kevitra amin’ny fanentanana an’ireo rantsamangaika rehetra mikarakara fifidianana.
Nisy ny taratasy nohamoraina ary novaina ny fanaovana azy: ny fanamarinana fizakana zom-pirenena. Izay raha fintinina ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra Mara Volamiranty Donna, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fahazoana ny taratasy fanamarinana fizakana zom-pirenena izay anisan’ny takina amin’ny firotsahan-kofidina. Miara-dalana amin’ny fanomanana ny fifidianana ny governemanta. Maro koa ireo kandidà tsy mbola nahavita ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidina noho ny pitsopitsony samihafa. Araka ny fandrosoan’ny fikarakarana, maro ny lisitra kandidà ben’ny Tanàna sy ny kandidà mpanolotsaina. Maro ireo distrika sy kaominina lavitra ny fitsarana. Koa natao hoe ny kopian’ny sora-piankohonana na ny dika an-tsary ny karapanondro voamarin’ny tomponandraikitra afa-manao izay eny anivon’ny kaominina dia ampy ho porofo manamarina ny fizakana zom-pirenena. Midika izay fa miara-dia amin’ny fikarakarana fifidianana ny governemanta iray manontolo mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.
Efa nametraka ny fepetra rehetra ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajoelina sy ny governemata tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’ny hisian’ny filaminana amin’ny fifidianana. Ampitandremana izay rehetra manana eritreritra hanakorontana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Nohamafisiny fa efa nandray fepetra ny amin’izany ny governemanta iray manontolo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly eto Madagasikara.
R. Nd.