FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, afakomaly, ny ambasadaoron’i Soisa, Sem Rolf Stadler, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fitsarana eo amin’ny firenena roa. Nilaza ny fahavononana amin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ny vahiny.
Nidina ifotony tany amin’ny faritra Melaky, afakomaly, ny tomponandraikitry ny filaminana niaraka tamin’ny olom-boafidy. Hisy ny fanavaozana ny Dinan’i Melaky tsy mipoly, nandaminana ny faritra an-taona maro. Fiaraha-mientana amin’ny ady atao amin’ny asan-dahalo sy ny fakana an-keriny no antony.
Niakatra eny anivon’ny fitsarana ny raharaha mahakasika filatsahan-kofidina ho ben’ny Tanà­nan’Antananarivo an’ny filoha teo aloha, Ravalo­manana Marc. Omaly no nanatitra fitoriana mahakasika ny fandavana ny taratasy filatsahan-kofidin’ity filoha teo aloha ity, teny amin’ny tribonaly miady aminy fanjakana, ny mpisolovava sy ny solotena nahazo alalana (mandataire) ary ireo kandidà mpanolotsaina avy amin’ ny antoko Tim.
Tanterahina anio, eny amin’ny foibe toeran’ny antoko Tim, eny Bel’air, ny fihaonan’ireo tomponandraikitry ny antoko, amin’ireo mpanara-dia azy. Fampahafantarana ny zava-misy iainan’ny antoko ankehitriny, indrindra ny mahakasika ny filatsahan-kofidina ben’ny Tanàna no horesahina mandritra izany, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Randriamasinoro Ny Rina.

Partager sur: