Nitondra ny heviny ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Primatiora momba ny fitantanan-draharaham-pirenena. Mila mampitovy fijery ireo sekretera jeneraly, araka ny fanazavany.
«Atao izao fivoriana izao mba hahazoana mampitovy ny fomba fijery sy mifanakalo hevitra amin’ny hanatsarana ny fomba fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny ankapobeny, indrindra ireo tetikasan’ny filohan’ny Repoblika». Izany ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Primatiora, Rakotoarisoa Miadantsata Indriamanga, ny amin’ny dinika sy fifampiofanana andiany faharoa nataon’ireo sekretera jeneraly eny anivon’ny minisitera, tany Ampefy, faritra Itasy, ny faran’ny herinandro teo. Mba hampahomby ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) izany. Efa namelabelatra izany teo anoloan’ny depiote sy ny loholona ny paikady hahazoana manatanteraka azy rahateo ny Praiminisitra. Tsy maintsy mijery an’izay ny vovonan’ny sekretera jeneralin’ny minisitera eo ambany fitarihan’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Praimatiora sy ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika.
“Izay no ifampiresahana mivantana mba tsy ho taratasy no ifampiresahana”, hoy izy. Samy ho tomponandraikitra maheno ny toromarika ny rehetra, samy maneho ny heviny ao anatin’ny fiombonana amin’ny fomba fijery hahazoana manatanteraka asa avy hatrany. Asa no andrasana amin’ny tsirairay amin’izao. Tapitra hatreo ny fitavozavozana sy ny tandrevaka samihafa, fa hiezaka hiroso amin’ny fahombiazana ny tsirairay amin’ny fametrahana an’izay tetikasa sy fanavaozana samihafa izay. “Mba tena hisitrahan’ny valala tsy mandady harona ny asa atao amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny filohan’ny Repobika izany”, hoy ihany izy.
R. Nd.