Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy misy tombontsoa azo amin’ny korontana”

“Marina tokoa fa hiatrika fotoan-dehibe isika amin’ny 11 desambra ho avy izao amin’ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Ny zava-dehibe ao anatin’izany dia ny hisian’ny filaminana hatrany. Tsy misy tombontsoa azo amin’ny korontana”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Chris­tian tamin’ny mpanao gazety tany Antsirabe, faritra Vaki­nan­karatra, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny lanonana famoahana ireo mpianatra polisy nahavita fiofanana tao amin’ny ENIAP. Maniry ny hisian’ny filaminana hatrany ny vahoaka malagasy. Ry zareo eo anivon’ny Polisim-pirenena no nohafarany, fa toy izany koa ny eo anivon’ny fitandroana filaminana, na Zandarimariam-pirenena na ny Tafika malagasy: mitarika hatrany amin’ny fametrahana fandriampahalemana sy filaminana eto amin’ny firenena. Ambenana izay hisian’ny fandrimpahalemana sy filaminana hatrany na amin’ny tontolo ambanivohitra na amin’ny tontolo an-drenivohitra. Mila fandraisana andraikitra izany eo anivon’ny mpitandro filaminana.
“Inspecteur de police” sy “agent de police” miisa 1 217, andiany Sandratra, no vita fiofanana. Nambaran’ny Praimi­ni­sitra ny tokony handraisan’izy ireo anjara feno amin’ny fiarovana ny harem-pirenena ary ny vahoaka sy ny fananany. Manana andraikitra lehibe amin’ny fampanjakana ny filaminana eto amin’ny firenena ny Polisim-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana. Foto­dra­fitrasa lehibe maromaro avy amin’ny fitondram-panjakana no natolony tamin’ny anaran’ny filohan’ny Repo­blika, nanamarihana ny faha-20 taonan’ny sekoly ENIAP, Antsirabe.

R. Nd.

Partager sur: