Hikatona rahafakampitso ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ben’ny Tanàna. Tsy misy intsony ny indrafo aorian’izay ho an’izay tara.
“Io 26 septambra io no farany. Izay hatrany no mahatonga anay manentana hoe aza miandry farany fa alefaso aloha… Raha vao tonga ny 26 septambra, tsy misy intsony ny fanomezana 48 ora.” Io ny fanazavan’ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Mickaël, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidina eny amin’ny Ovec izay hifarana amin’ny 26 septambra. Tsy misy intsony ny fanomezana 48 ora amin’ny famenoana izay banga amin’izany. Ny lalàna no milaza hoe voafetra ny andraikitry ny Ovec. Tokony hiezaka manatratra an’izay fe-potoana 26 septambra izay ny rehetra. “Efa nisy herinandro nomena ho fanampiny dia mbola hiandry farany indray ve?», hoy izy. Anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra… Efa nisy taratasy nohamaivanina ny fahazoana azy: ny fanamarinana fizakana zom-pirenena. Misokatra sabotsy sy alahady ny Ovec, ary manome torolalana amin’ ny fahazoana taratasy ilaina amin’ny firotsahan-kofidina.
Efa misy ny ezaky ny tomponandraikitra amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’ ny fikarakarana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina. Tsy tokony hisy ny olana, raha tanteraka antsakany sy andavany ny andraikitry ny tsirairay. Maromaro ny fihaonana nataon’ny Ceni amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. Misy kandidà maneho hevitra hoe mitanila ny Ceni. Rehefa tsy metimety amin’ny tena ve dia lazaina fa mitanila? Na ankasitrahana rehefa metimety… Tsy tombontsoan’olon-tokana no jerena fa tombontsoam-pirenena amin’ny fanatanterahana fifidianana. Misy lalàna mitana sy manery ny Ceni amin’izany.
R. Nd.