Ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, no nitarika ny fivoriamben’ny Firenena mikambana tany New York, ny 22 septambra teo. Taorian’ny fanokafana ny adihevitra ankapoben’ny fihaonana an-tampony momba ny hoavy izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny eto an-toerana.
Fotoana manan-tantara ho an’i Madagasikara ny nanendrena azy ho filoha lefitry ny fivoriamben’ny ONU faha-79, mandritra ny herinandro natokana ho an’ny filoham-panjakana. Manasongadina ny fandraisany anjara mandritra izao fivoriana faha-79 amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izao i Madagasikara, ary mametraka ny toerany eo anivon’ny ONU sy miaraka amin’ ireo firenena mpikambana miisa 193. Nandritra izany fotoana izany ny minisitra Rasata Rafaravavitafika dia nanome fitenenana ho an’ireo lehiben’ny Fanjakana sy ny governemanta isan-karazany, izay nifandimby nitondra ny lahateniny momba ny lohahevitra hoe “Vahaolana marolafy ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa”.
Fantatra fa amin’ny 28 sy 29 septambra ny fivoriana an-tampon’ny filoham-panjakana maneran-tany, izay hanaovana adihevitra ankapobeny momba ireo raharaha mafampana maneran-tany. Anisan’ izany ny ady any Ukraine sy Rosia, ny olana eo amin’i Palestinina sy Israely, ny olana amin’ny fahasalamana, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fampiasana fitaovana nokleary. Eo koa ny fanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) nosoritan’ny ONU ho hatramin’ny 2030.
R. Nd.