FANTINA sy FINTINA

Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, taorian’ny fananganan-tsaina teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Anosy, omaly, fa tsy misy tohanany manokana ireo mpiadina ho mpandraharahan’ny fonja. Iangaviany hanaiky izay toerana hanendrena ary hiasa izay tafita amin’izany fa tsy voatery ho eto Antananarivo.
Miantso sy manentana ny tanora rehetra
handray anjara mavitrika amin’ny firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna na ho mpanolotsain’ny Tanàna ny mpitarika ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso (Var), Rakotoarijaona Jerry. Mba hisian’ny politika vaovao izany, ka hanajanona amin’izay ny krizy politika lava eto Madagasikara.
“Mariky ny fahalemen’ny fitondram-panjakana ny fanakanana an-dRavalomanana Marc, ho ben’ny Tanàna” hoy i Herimanjaka Tsilavo Manantsoa na i Rima. Nambarany fa manahy ny tenany fa sao kajikajy politika entina hanemorana ny fifidianana fotsiny ihany izao. “2 andro mialohan’ny fiafaran’ny fametrahana antontan-taratasy isika izao mbola tsy re izay mety ho kandidà atolotry ny fanjakana…”, hoy i Rima.
Hatramin’ny omaly, antontan-taratasy
filatsahan-kofidina miisa 2 113 no voarain’ny eny
anivon’ny Ovec, ho an’ny kaominina 1 695 manerana ny Nosy. Raha tsiahivina, ny alakamisy 26 septambra 2024, amin’ny 5 ora hariva no hifarana izany fametrahana antotan-taratasy izany. Efa nisy ihany koa ny fanalefahana ireo fahasarotana maro amin’ny fikarakarana izany.

Partager sur: