Tsy mijabaka amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara ny Vondrona afrikanina. Manamafy ny fanohanany ny raharam-pifidianana izy. Mitsipaka ny fanambaran-diso niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera.
Nanao fanambarana ny avy amin’ny Vondrona afrikanina, omaly, teny amin’ny foibeny eny Ankorondrano. Vontoatin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny mahakasika ny fihaonana teo amin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, sy ny solotena manokan’ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina, Alice Nzomukunda. Nambarany fa fitsidihana ara-pomba fanajana no nataon’ny filoha teo aloha. Anisan’ny noresahin’ny roa tonta kosa ny mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina hotanterahina eto Madagasikara. Notsindrin’ny avy amin’ny Vondrona afrikanina ny tsy fiandaniany amin’iza na amin’iza. Nohamafisiny fa tsy mitsabaka amin’ny raharaha anatin’ny firenena iray sy manaja ny fiandrianam-pirenen’ny firenena mivondrona ao aminy izy ireo.
Nanazava
Nanamafy ity fikambanana iraisam-pirenena ity fa tsy manana zo haneho hevitra amin’ny anaran’ny vondrona hafa izy. Notsindriny fa manohana sy manamafy ireo andrimpanjakana misy eto Madagasikara ny Vondrona afrikanina, amin’ny asa sahaniny. Mitsipaka, araka izany, ny filazan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izy ireo.
Nahoraka sy nodradradradraina tamin’ny tambajotran-tserasera ny vaovao sy ny filazana fa tsy mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, toy ny an’ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina , ny fandavan’ny Ceni ny filatsahan-kofidianan’ity filoha teo aloha ity.
Nilaza anefa ny Vondrona afrikanina fa tsy nanao fanambarana na nilaza hevitra tamin’ny fanapahan-kevitry ny Ceni izy ireo.
Lin