FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ireo talem-paritry ny fandraharahana ny fonja. Nohamafisin’ny minisitra ny vina hiaraha-miady amin’ny kolikoly. Mila hitarina ny fambolena ho ampy amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eny anivon’ny fonja. Eo koa ny fanomanana ireo voafonja hiverina amin’ny fiarahamonina sy ny tsy hisian’ny mpamerin-keloka.
Mandray anjara amin’ny fivoriana mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny parlemantera momba ny fiovaovan’ny toetr’andro, atao ao Seychelles, nanomboka ny alatsinainy teo, ny filohan’ny Antenimie­rampirenena, Tokely Justin, sy ny delagasionina tarihiny. Ny Commission de l’océan Indien (COI) sy ny As­semblée Parlementaire de la Francophonie no mikarakara azy ity. Tanjona ny hananan’ny firenena anatin’ny COI lalàna momba ny toetrandro.
Tafapetraka ny taratasy filatsahan-kofidian-dRa­kotovao Rivo. Omaly, teny amin’ny Ovec Mahajanga, no nanatanterahany izany niaraka tamin’ireo mpiray lisitra sy mpanara-dia azy. Marihina fa tamin’ny alalan’ny vovonana Firaisankina no nilatsahan’ity filoha nasionalin’ny antoko HVM ity.
Nanambara ny avy eo anivon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana, omaly, fa maherin’ny 400 ireo kaominina mbola tsy misy kandidà ho fidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Raham­pitso hatramin’ny 5 ora hariva anefa no fara-fanaterana ny antontan-taratasy ilaina amin’izany.

Partager sur: