Ramamimampionona Gérard : “Tena diso na tsy araka ny tokony ho izy ny fanaovantsika politika”

Misy ny fanahiana korontana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana amin’izao: “Tena diso na tsy araka ny tokony ho izy ny fanaovantsika politika”. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao fa misy ny fanahiana korontana?
Ramamimampionona Gérard (-): Tena diso na tsy araka ny tokony ho izy ny fanaovantsika politika. Satria politika mampisara-bazana raha tokony hampiombona, mampahantra raha tokony hampanan-karena, manakorontana raha tokony hampilamina, fijerena tombontsoan’olona vitsivitsy raha tokony hijerena ny maro… Ho avy izao ny fifidianana ben’ny Tanàna. Nefa tsy fitadiavana toerana na fahazoana maro anisa amin’ny fifidianana ihany ny politika, ka hanadinoana tanteraka ny vahoaka tena maro anisa. Isaky ny tonga ny fifidianana dia manakorontana, mampiahiahy, mampatahotra… Tsy mifantoka amin’ny tena antom-pisian’ny politika ny fomba fanaovana politika: fakana fahefana no atao, na hitarika ady aza. Isaky ny misy fifidianana dia misavorovoro isika. Na ny fifidianana izay ho kandidà aza, miady ny samy any anaty antoko. Dia misy korontana eny amin’ny fiarahamonina noho ny fifampiandaniana, korontana koa eo amin’ny fikarakarana: misy manam-bola, misy tsy manana; manara-dalàna, tsy manara-dalàna…

* Inona no tokony hataon’ny vahoaka amin’izany amin’izao fiatrehana fifidianana izao?
– Rehefa miteny vahoaka toy ny hoe miala ny olon’ny antoko, ny olom-boafidy… Tena tsy izany, fa mbola anisan’ny vahoaka ireny. Raharahantsika rehetra ny fifidianana, ka samy maka ny anjara manandrify azy. Isika vahoaka no andriamanjaka. Tompon’ny fahefana izany, ary mitana an’izay hasina sy famendrehana izay. Fa tsy hoe ho avy ny fifidianana dia hivaro-tena: aiza no misy vola? Dia lalaovin’ny olona… Tokony hahatsapa tena ny vahoaka: ny andriamanjaka indray ve no lalaovina sy vidiana? Mampiasa ny zo tena araka ny tokony ho izy, rehefa tonga ny fandatsaham-bato. Tsy manara-drenirano, tsy miady amin’ny mpiara-belona. Mitandro mandrakariva ny hasin’ny fiarahamonina sy ny fihavanana izany. Ny voka-pifidianana tsy hoe iza no voafidy na mahazo ny maro anisa. Valim-pifidianana izay. Ny voka-pifidianana dia fandrosoana eny amin’ny fiainam-bahoaka.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: