“Efa samy mahalala isika… Misy paikady politika atao. Ny politika koa: jerena aloha ny ataon’ny mpifaninana amin’ny tena; avy eo, jerena ny paikady tokony hatao. Aza matahotra fa manana kandidà ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) eto Antananarivo Renivohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, ny amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Olona handresy no tokony harotsa-kofidina. Izay no masontsivana. Kandidà mandresy izany. Eken’ny rehefa fa afa-kampivondrona, hitondra fampandrosoana, tsy hanao politika politisianina… Tokony hiomana koa ny tena fa mba misokatra ny Irmar fa tsy manidy trano. Mila fisokafana fa tsy vitan’ny Irmar irery io, na TGV irery… Mila olona afa-misokatra amin’ny rehetra, ary mitondra fandresena. Tsy TGV sy Tim fotsiny ny eto Antananarivo, fa misy mahaleo tena. “Manohana ny fitondrana izahay, raha ny tokony ho izy: manohana ny kandidà Irmar Ny Fireneko eto Antananarivo”, hoy kosa izy ny amin’ny fiatrehan’ny antoko ny fifidianana.
R. Nd.