Adin’ny samy tanora! Adin’ny samy henjana! Kandidà samy manana ny maha izy azy miisa fito mianadahy no hifaninana ho an’Antananarivo Renivohitra
Nifarana omaly ny fametrahana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidin’ireo maniry handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Ho an’ny teny amin’ny Ovec Isotry, izay fametrahana antontan-taratasy ho an’Antananarivo Renivohitra. Niisa fito ireo ho kandidà nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany. Anisan’izany i Harilala Ramanantsoa, avy amin’ny vovonana Irmar. Tojo Ravalomanana, avy amin’ny Antoko Tim, tohanan’ny vovonana Firaisankina, i Tahina Razafinjoelina, avy amin’ny antoko Tia Tanindrazana, tohanan’ny vovonana Kolektifan’ny Malagasy. Manampy ireo i Ndriana Razanamasy, avy amin’ny antoko Iarivo Mandroso, i Gascar Fenosoa, avy amin’ny Mouvement Gascar, i Monja Roindefo Zafitsimivalo, avy amin’ny antoko Monima ary Randriamampionona Joseph Martin na i Dadafara, avy amin’ny tsy miankina.
Hangotraka ny fifaninanana mandritra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, indrindra ho an’ny Tanànan’Antananarivo. Samy manana ny maha izy azy ireo ho kandidà ireo ary hita ao avokoa na ny avy amin’ny mpanohitra na ny avy amin’ny mpanohana ny fitondrana. Tsy olom-baovao intsony ihany koa fa efa tazana nanarangarana taoriana sy nanohana ireo ray aman-dreny sy zokiny ihany. Hafana tokoa, araka izany, ny zotram-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra. Samy manana ny antony nanosika azy hilatsaka ho fidina ny rehetra, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo nandritra ny fametrahany antotan-taratasy filatsahan-kofidina. Hany iraisan’ny rehetra kosa ny fampandrosoana ny tanànan’ Antananarivo.
Tompon’ny teny farany ny vahoaka
Manoloana ny toe-java-misy sahala amin’izao no ilana ny vahoaka. Ny vahoaka izay hifidy sy tompon’ny teny farany amin’ny fifidianana izay hitantana azy sy ny tanànany. Zava-dehibe, araka izany, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena, indrindra ny fandrotsaham-bato mandritra ny andron’ny fifidianana. Anisan’ ny tokony hojeren’ny vahoaka mpifidy ny foto-kevitra hijoroan’ny kandidà sy ny vinan’asany ho an’ny tanàna.
Lin