FANTINA sy FINTINA

Raha misy kaominina tsy misy kandidà na mpifaninana, tsy maintsy misy ny fanamarinana an’izay. Mety hisy ny fanaovana fifidianana amin’ny ampahany, araka ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly. Jerena ny hahazoana manatanteraka an’izay. Voafidy avy hatrany ny kandidà tokana, na firy na firy tonga mifidy.

“Efa nilaozan’ny toetrandro ny fanakorontanan’ny mpanohitra”. Io ny fijerin’ny loholona, Tsiebo Mahaleo Richard Victor, momba ny fihetsika ataon’ny mpanohitra amin’izao. Mitady filaminana sy fitoniana ny olona amin’izao. Tsy hoe nahomby ny fakana an-keriny ny fitondrana tamin’ny 2002 dia mbola hahomby koa izany amin’izao 2024 izao, hoy hatrany izy.

Nitsidika ny Lapan’ny Antenimieram­pirenena malagasy, teny Tsimbazaza, omaly, ireo parlemanta Sinoa, manao fitsidihana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nandray ireto vahiny ireto tamin’izany ny filohan’ny Antenimierampirenena avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, Fomendraza Haingo Elisette. Noresahina nandritra izany ny vina ho fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo samy parlemantera.

“Tsy mitombona ny fanakianana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, mahakasika ny didy navoakan’ny Ceni, manamafy ny fandavana ny filatsahany hofidiana”. hoy i Dama Andrianarisedo, filohan’ny Ceni. Nanamafy ity filohan’ny Ceni ity fa niainga tamin’ny fanarahana ireo didy aman-dalàna mamaritra ny filatsahan-kofidiana no nandavan’ny Ovec izany.

Partager sur: