Fifidianana kaominaly : hivoaka ny 8 oktobra ny lisitra ofisialy

Omaly hatramin’ny 29 septambra ho avy izao no mamoaka ireo lisitra mahafeno fepetra tamin’ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidina ny eny anivon’ny rantsamangaikan’ny Ceni mpikirakira izany (Ovec) eny anivon’ny distrika. Araka ny loharanom-baovao avy eny amin’ny Ceni, Alarobia, omaly, izay. Amin’izao fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna hatao amin’ny 11 desambra izao. Ireo tsy voaray na nolavina ny maha mpirotsa-kofidina azy tamin’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina napetrany ary tsy afapo tamin’ny fanapahan-kevitry ny Ovec dia manana 48 ora hitondra fitarainana any amin’ny Ceni foibe. Amin’ny 30 septambra sy 1 oktobra kosa ny fe-potoana hananan’ny Ceni mandinika ny fitarainan’ireo mpirotsa-kofidina amin’izay fitarainana izay. Hatramin’ny 3 oktobra no hamoahan’ny Ceni ny valin-teniny ny amin’izany. Manana 48 ora koa ireo mpirotsa-kofidina hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana, raha tsy mahafa-po azy ny valin-teny avy amin’ny Ceni momba ny firotsahan-kofidiny. Hatra­min’ny 7 oktobra kosa no hahazoan’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana mandinika sy mitsara ary mamoaka didy ny amin’izany. Farany, amin’ny 8 oktobra ho avy izao no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo mpirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny eo anivon’ny Ceni.

R. Nd.

Partager sur: