«Amin’ny 12 oktobra no havoakanay ny lisitry ny biraom-pifidianana. Amin’izay no ahitana na misy fiovana na tsia». Io ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Tseheno, teny Alarobia, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana kaominaly amin’ny 11 desambra. Roa andro alohan’ny fifidianana no anomezan’ny lalàna fahefana ny Ceni hamindra biraom-pifidianana, raha misy antony manokana. Raha sanatria misy trano na sekolim-panjakana mirodana, ohatra: azony atao ny manova na mamindra azy roa andro mialoha ny fifidianana. Notsiahiviny fa 700 farafahabeny ny isan’ny mpifidy amin’ny biraom-pifidianana iray. Ny Ceni no mahita izay farany vitsy: 20 sa 100 sa 200… ? Tsy mbola navoaka ofisialy aloha izay. Tsy tokony hiova fa toy ny tamin’ny fifidianana depiote ny isan’ny biraom-pifidianacnamiisa 28 124. Ho hita eo ihany ny fanampiana biraom-pifidianana, raha misy ny fangatahana. Lalan-tsain’ny Ceni ny hoe efa ampy ny isan’ny biraom-pifidianna teo aloha. Mifanaraka hatrany amin’ny lalàna ny fizarana azy eny amin’ny tanàna.
Misy kandidà avokoa ny kaominina rehetra 1 695 manerana an’i Madagasikara. Nefa misy ny kaominina tsy misy mpifaninana fa kandidà tokana. Eo amin’ny 80 eo izay. Tsy mbola ofisialy izay, fa mbola misy ny fifanolanana eny amin’ny Ceni. Misy fiovana kosa ny kaominina: ny distrikan’Antanimora, kaominina teo aloha, natao distrika tamin’ny fifidianana depiote teo. Miova izany ny isana kaominina amin’io distrika io amin’ izao fifidianana ben’ny Tanàna izao.
R. Nd.