Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana : nohamoraina ny fahazoana taratasin-tany

Fanatsarana sy fanovana ny fomba fiasa eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana. Anisan’ny ao anatin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).

Nidina ifotony nijery akaiky ny fandrosoan’ny asa mo­mba izany tany amin’ ny distrikan’i Nosy Be ny delegasionin’ny minisitera, no­ta­ri­hi­n’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany fa anisan’ny tanjona ny fametrahana rafitra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny fikirakirana ny taratasy momba ny tany. Mikendry ha­trany ny mangarahara sy ny fanamorana ny asa fandrindrana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny fananan-tany ny eo anivon’ny minisitera ta­rihiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fahazoana ny taratasy fanamarinana sy ny sarin-tany.
Marihina fa rovitra ny taratasy momba ny tany hatrany amin’ny 8%, raha ny antontanisa ho an’ny ao Nosy Be. Midika izany fa taratasin-tany miisa 18 168 no havadika ho niomerika. Hatrany amin’ny 20% kosa ireo boky sy sarin-tany rovitra manerana ny Nosy. Maherin’ny 10 000 ireo fangatahana fanamarinana fananantany raha 20 000 kosa ireo sarin-tany mitokana zarain’ny fari-piadidian’ny fananantany isan-taona.
Etsy andaniny, maherin’ny 1000 isan-taona ireo raharaha momba ny ady tany tsaraina eny anivon’ny fitsarana.
Araka izany, efa an-dalam-panatanterahana izany fanovana fomba fiasa izany ireo sampandraharahan’ny fananantany. Anisan’izany ny eto Antananarivo sy any Nosy Be. Hotohizana amin’ireo faritra hafa izany mba hanamorana sy hamahana olana ny tonto­lon’ny fananantany.

Synèse R.

Partager sur: