FANTINA sy FINTINA

Nanambara ny eo anivon’ny Ceni fa tokony hivoaka ny talata 8 oktobra izao, farafahatarany, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny fifidianana eny an­ivon’ny kaominina. Hotanterahina eny anivon’ny ran­tsan’ny Ceni, ny alarobia 9 oktobra, tapany maraina kosa ny fisarihana ny laharan’ny kandidà tsirairay avy ao anatin’ny biletà tokana.
Hentitra i Fanirisoa Ernaivo tamin’ny
fanambarana nataony fa tokony hiala eo anivon’ny vovonana Firaisankina ny ProSiteny rehefa tsy hanaja ny fanapahan-kevitry ny besinimaro. “Tsy tokony hanala-baraka tahaka izao izy ireo. Tsy misy tokony hanana ny zo tsy azo ivalozana “droit de véto” ireo mpitarika”, hoy izy afakomaly.
Nanatanteraka fanambarana iraisana ireo antoko mivondrona ao anatin’ny vovonana Firaisankina any Mahajanga, omaly. Nanterin’izy ireo tamin’izany fa mariky ny fanohanana ny kandidà ben’ ny Tanàna natolotry ny antoko HVM amin’ny alalan-dRakotovao Rivo izany. Hanamafisana ny tsy fisarahana eo amin’izy ireo ihany koa.
Mafy orina ny fifandraisana efa hatry ny ela eo amin’i Sina sy i Madagasikara, araka ny namba­ran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Niara-nanamarika ny faha-75 taona niorenan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina sy ny “Fête de la lune” tetsy Behoririka ny tenany sy ny ambasadaoro Sinoa ary ny fikambanana fampiraisana an’i Sina, afakomaly.

Partager sur: