Razanamahefa Désirée Marie Stella : “Very ny hevitry ny hoe fisafidianana amin’ny kandidà tokana”

Hanao ahoana ny fifidianana kaominaly? Eo amin’ny 80 eo ho eo ny kaominia tsy misy afa-tsy kandidà tokana. Maneho ny fijeriny ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella.

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny fisian’ny kaominina tsy misy afa-tsy kandidà tokana amin’izao fifidianana ben’ny Tanàna izao?
Razanamahefa Désirée Marie Stella (-): Nohasarotina ny firotsahan-kofidina… Tamin’ny fotoana farany, nohamoraina indray izany. Tsy ampy fandinihana tsara ve? Raha azo nahamoraina ihany, naninona nohasarotina? Very ny hevitry ny hoe fisafidianana amin’ny kandidà tokana. Olana izay. Ny azon’ny kandidà tokana atao dia ny manao fampielezan-kevitra hatrany hifidy azy. Ny fahavitsian’ny olona mifidy no mpifaninana aminy.
Ny mety ho voka-dratsin’izay kandidà tokana izay ny tsy firaharahan’ny olona loatra izay hataon’ny mpitondra na izay voafidy eo. Samy maty antoka amin’izany na ny mpitondra na ny entina. Manana fanamby goavana ny mpitondra amin’izay. Tsy misy inona vitany irery, fa tsy maintsy miara-mifarimbona amin’ny entina. Mila miezaka mafimafy ry zareo amin’ny fampielezan-kevitra, mamelona ny rafitra fakan-kevitra ny olom-pire­nena…
* Ary ny amin’ny fahazoan’ny mahaleo tena vahana amin’ny fifidianana, fa mihamihena ny fandraisana anja­ran’ny antoko politika?
– Any amin’ny lalàm-pifidianana no mila jerena tsara. Avy eo, misabakabaka eo ihany ny hoe mahaleo tena. Indraindray, misy famitahana vahoaka ihany izay: mahaleo tena nefa miaraka amin’ny atsy na ny aroa ihany avy eo. Mila jeren’ny fanjakana akaiky: ahoana no mahatonga an’izay sy izay hanatsara azy? Mila jerena koa ny lalàna mifehy ny antoko politika. Maninona no toa tsy te hofehezina ny mpirotsa-kofidina na ny olom-boafidy rehefa avy eo fa samy maka ho azy?

* Ny fahitanareo ny zotram-pifidianana ankapobeny?
– Misy tsy fahamatorana fa tsy mbola tena mety ho feno. Toy ny hoe tsy ampy fandinihana dia manova eny an-dalana… Mbola tsapatsapaina na fifidianana efa nahemotra aza ny fanatanterahana azy. Ny ankoatra an’izay, tokony hohama­fisina ny fanentanana fa mbola misy ny tsy mahalala hoe fifidianana lisitra no hatao. Tokony hohamafisin’ny Ceni koa ny fanofanana ny mpikamban’ny biraom-pifidianana.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: