Notanterahina teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, omaly ny famindram-pitantanan’ny tale kabinetran’ ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, Rarivojaona Emile. Nandray izany ny talen’ny kabinetra vaovao, Rabearisoa Rochel. Tamim-pirahalahiana tanteraka ny famindran-tanana. Nankasi-traka ny asa vitan’ny tale kabinetra teo aloha ny tale kabinetra vaovao, izay nilaza fa vonona hanohy ny ezaka tsara efa natao eo amin’ny tontolon’ny fitsarana. Indrindra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny paikady amin’ny asa napetraky ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sy minisitra ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, amin’ izao fe-potoam-piasana vaovaoa izao. Nambaran’ny minisitra rahateo fa misy fomba fiasa vaovao napetraka. Mila olona vaovao mifanaraka amin’izany ny fanatanterahana azy. Na izany aza, tsy nafeniny fa tsy hoe tsy nahavita ny teo aloha, fa noho ny fandaminana ihany izay fomba fiasa vaovao izay. Tsiahivina fa anisan’ny fanambin’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’izao ny ady amin’ny kolikoly.
R. Nd.