OIF: Hisokatra rahampitso ny fihaonana an-tampony faha-19

Tanterahina ao Paris, Fran­tsa, ny 4 sy 5 oktobra 2024, ny fihaonana an-tampon’ny Fran­cophonie, andiany faha-19. Miisa 88 ireo firenena sy go­vernemanta mivondrona ao anatin’ny Organisation Inter­nationale de la Francophonie (OIF). Anisan’ny hia­trika izany ny fitondram-panjakana mala­gasy, tarihin’ny filoham-pire­nena, Rajoelina Andry, miaraka amin’ny vadiny sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta ary ny tomponandraikitra eo anivon’ ny fiadidiana ny Repoblika. Ny filohan’ny Repoblika frantsay, Emmanuel Macron, sy ny Se­kretera jeneraly ny OIF, Louise Mushikiwabo, no hitarika ny fivoriambe, mandritra ny roa andro. “Créer, innover et entreprendre en Français” no lohahevitra mandritra izany.

Ny OIF dia misehatra amin’ ny tontolo ara-kolontsaina, ny fanatanjahantena, ny fanabeazana ho an’ny rehetra, ny niomerika, ny zon’olombelona ary ny tanora. Tsy misehatra amin’ny tontolo ara-politikan’ ny firenena mpikambana ao aminy ny vondrona. Isaky ny roa taona no hanatanterahana ny fivoriambe ary ny filoham-panjakana na ny governemantan’ny firenena mampiantrano ny fihaonana an-tampony no mitarika azy io mandra-pahatongan’ny fihaonana mana­raka. Marihina fa misy ny dinika an-databatra boribory mahakasika ny lohahevitra “Créer, innover et entreprendre en Français pour l’emploi des jeunes”, izay handraisan’ny ta­nora malagasy miisa roa avy amin’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny anjara.

Lin

Partager sur: