Mitohy hatrany ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena isan-karazany. Manatsara ny toeran’i Madagasikara amin’ny tontolo diplomatika izany.
Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Charles de Gaulle, Paris France, omaly maraina, ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Hiatrika ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia, andiany faha-19 izy ireo. Efa any an-toerana ny ankamaroan’ny delegasionina mpandray anjara avy amin’ ny firenen-kafa. Ao amin’ny Cité internationale de la langue française any Villiers-Cotterets no hanatanterahina ny lanonam-panokafana, anio. Mandray anjara avy hatrany ny delegasionina malagasy.
Ho ambohipihaonan’ireo mpitondra ambony ao anatin’ireo firenena mampiasa ampahany na manontolo ny teny frantsay i Paris mandritra ny roa andro. Ankoatra ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy. Anisan’ny hanamarika ny anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha vaovao handray ny fitantanana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia sy ny filoha teo aloha. Ny filohan’i Tunisie, Kaïs Saïed, no niantsoroka ny adidy nandritra ny 2 taona, nanomboka ny taona 2022. Hiandraikitra izany, manomboka izao, ny filoha frantsay, Emmanuel Macron.
Manan-danja ara-diplaomatika ny fanatrehan’i Madagasikara ity fihaonana an-tampony ity. Vondrona misehatra amin’ny tontolo ara-kolontsaina, fanatanjahantena, fanabeazana ho an’ny rehetra, ny niomerika, ny zon’olombelona ary ny tanora rahateo ny OIF. Mandrafitra ny delegasionina malagasy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Any an-toerana ihany koa ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Donna Volamiraty. Manotrona azy ireo ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny profesora Loulla Chaminah. Manatevin-daharana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.
Lin