Tandrevaky ny ray aman-dreniny : zazakely nipoahan’ny bateriana finday

Zava-doza no niseho tao amina tokantrano iray, teny Ambohijanaka. Zazakely iray no nipoahan’ny bateriana finday izay latsaka tao anaty afon-tsaribao.

Naratra teo amin’ny tarehiny sy ny tanany ny zazakely iray, vao roa taona sy tapany. Nipoaka ny bateriana finday nolalaoviny izay latsaka tao anaty afon-tsaribao, teny Ambohijanaka, tamin’ny alakamisy hariva. Mivarotra ny asan’ny ray aman-dreniny. Avy nikarama ireto farany ka nahandro sakafo. Nandritra izany no nitranga ny voina.
Sahirana tamin’ny fikarakarana sakafo hariva ilay renim-pianakaviana ka nolalaovin-janany ny findainy. Noravara­vain’ilay zaza ny telefaonina. Voalaza, araka ny fanadihadiana natao, fa teo am-piba­tana vilany niala teo ambony fatana ny reniny no nalatsak’ ilay zazakely tao anaty afon-tsaribao ilay batery niaraka tamin’ny tranony.
Nirefotra ny batery raha vao nahazo afo. Hatairana ny an’ireo ray aman-dreniny na­hita ny potipoti-javatra nivoaka avy tao anaty afo. Nipitika teny amin’ny tanana sy ny tarehin’ ilay zaza izany. Voatery netina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay zaza vokatry ny ratra nahazo azy. Avotra soa aman-tsara izy.

Latsaka tanaty lasopy

Na eo aza ny fahasahiranana sy/na rotorotom-piainana manoloana ny fitadiavana amin’ny andavanandro, tsikaritra fa zary lasa antsirambina koa ny fanaraha-maso ireo menaky ny aina ao an-tokantrano. Vao afakomaly, zaza­kely iray no nianjeran’ny vilany feno lasopy, teny Anka­dievo, Alasora.
Nahandro sakafo teo an-tokotany koa ny reniny. Niton­gilana ny vilany nipetraka teo ambony fatana kanefa ilay zazakely nilalao teo akaiky teo. Nianjera tampoka izany, tany amin’ilay zazakely avy hatrany. May ny lamosiny, saingy voavonjin’ireo mpifanolobodirindrina haingana ny vilany. Mba tsy nitobaka teny aminy avokoa ny rony nangotraka. Nentina namonjy dokotera ity zazakely niharam-boina ity. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy koa izy.

J.C

Partager sur: