Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny ramatoa iray nikasa hamarotra ny zanany vao fito volana, tao Mandritsara. Nanan’olana teo anivon’ny tokantrano, nisaraka tamin’ny vadiny, ity ramatoa ity ny 2 oktobra teo. Nanita-kevitra, araka izany, izy. Niresadresaka tamin’ny vehivavy mponina teo
amin’ny tanàna nisy azy ireo ihany. Noresen’io renim-pianakaviana io hividy ilay zaza amam-bolana ilay mpiara-monina aminy eo an-tanàna. “Mety foana izay vidiny eo”, hoy ilay ramatoa, araka ny loharanom-baovao. Nampahafantatra ny manam-pahefana momba io tranga io anefa ilay vehivavy. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana. Nosamborina ilay ramatoa ary nentina natao famotorana. Niaiky tokoa izy fa saika hamidiny io zanany io. Niakatra fampanoavana ny raharaha. Nohazonina vonjimaika any am-ponja ny renin’ilay zaza. Tsy fantatra mazava ny antony namarotan’ ity ramatoa ity io zanany io.
Tsiferana R.