Fisoratana amin’ny lisi-pifidianana : misy fepetra ny fakana ny didy hitsivolana

Namaly ny mpanao politika sasany tato ho ato ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fahazoana maka “Ordonance”…
“Ny olom-pirenena rehetra no mahazo mangataka didy hitsivolana hahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny mbola ahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Na izany aza, misy ny fepetra : fananana taratasy fanamarinana fa tsy ao ana­tin’ny lisi-pifidianana avy amin’ny Vaomieram-pifidianana eny amin’ny distrika (CED). Fahazoana misoratra anarana ny didy hitsivolana, fa tsy hahazoana mifidy avy hatrany toy ny taloha. Hahazoana manao fanaraha-maso, misy fe-potoana fahazoana mangataka izany: hatramin’ny faran’ny volana novambra. Ma­nomboka ny 1 desambra ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidinana (Rale). Amin’ izay fe-potoana izay koa no hahazoan’izay tsy mbola manana kara-pifidianana misitraka izany.

Tsy marina ny nambaran’ny mpanao politika
Tsy marina ny filazan’ny mpanao politika sasany hoe misoratra anarana fotsiny ireo maka didy hitsivolana fa tsy mahazo mifidy. Fahazoana mifidy ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana sy ny fananana kara-pifidianana. Tombantombana ihany ny hoe misy mpifidy 3 600 000 mbola hampidirina ao anatin’ny lisi-pifidianana: miainga amin’ny hoe ny antsasaky ny mponina no isan’ny mpifidy, araka ny fenitra iraisam-pirenena. Raha heverina ho 30 tapitrisa ny isan’ny mponina eto Mada­gasikara, 15 tapitrisa ny isan’ny mpifidy. 11 tapitrisa mahery ny isan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana roa farany, ka mbola misy 3 tapitrisa mahery izany no hoe tokony hampidirina. Tsy hampidirina ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’izao anefa izany, fa miainga amin’ny fitarainana ataon’izay tsy ao anaty lisitra sy ny fahazoany didy hitsivolana amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: