FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny filoha nasionalin’ny MMM, An­dria­nainarivelo Hajo, fa resabe fotsiny ny fitakiana ny Iles Eparses. Nanteriny fa miverina amin’i Nosy Maorisy ny fiandrianana amin’ireo Nosy Chagos rehefa teo am-pelatanan’ny britanika sy ny amerikanina tao anatin’ny 50 taona mahery. ” Izany no tena fandresena ara-diplomatika fa tsy ny fanaovana serasera betsaka”, hoy izy.

Haneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe ny alatsinainy izao. Hitarika izany ny filohany, Namearison Robert. Anisan’ny hiompanan’izany ny hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, hatao ny 11 desambra ho avy izao.

Nanambara ny depiote Afakandro Christian, omaly, fa ny kandidàn’ny Pro-Siteny no ho tohanana ao Mahajanga fa tsy ny natolotry ny Firaisankina. Nanteriny koa fa fandotoana azy ny resabe amin’izao fotoana izao. “Tsy mitovy ny fanaovana politika ao Antananarivo sy ny any amin’ny faritra”, hoy izy.

Miisa 15 ireo kandidà ben’ny Tanàna nolavin’ny Ceni tamin’ny alalan’ny Ovec ny firotsahan-kofidiny amin’ireo fitarainan’ny kandidà miisa 45, voarain’izy ireo, hatramin’ny omaly. Nahazo fankatoavana ny 30 amin’izany raha voatsipaka kosa ny 15. Mbola afa-mampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana izy ireo.

Partager sur: