Nisy tadio nanapaka ny lalana : Vehivavy iray maty, nipitika avy tao anaty fiara 4×4

Maty nipitika avy tao anaty fiara 4×4 ny renim-pianakaviana iray, omaly, teny amin’ny Lalam-baovao Tsarasaotra. Nilaza ireo naratra fa nisy tadio nanapaka tampoka ny lalana.

Nipitika avy tao anaty 4×4, maty tsy tra-drano ny vehivavy iray manodidina ny 40 taona, tetsy amin’ny Lalam-baovao Tsara­saotra, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Mpandeha fito no tao anatin’io fiara tsy mataho-dalana io. « Handeha hivoaka kely izy ireo fa tsy fantatra hoe ho aiza satria traiteur io rahavaviko io», hoy ny nambaran-dRakotondrazaka Mirana, zandrin’ny maty.  Avy any atsimo, tamin’ny lalan’Ivato mihazo an’i Tsarasaotra ilay fiara.
Olona fito ny tao anatin’ny fiara. “Nisy tadio somary nanapaka ny lalan’ny fiara”, hoy Rakotondrafara Jean Claude, nanatri-maso ny loza. Tampoka, nidrisina sy namoaka feo mafy tamin’ny arabe ny kodiaran’ny fiara. Tafavoaka ny lalana. Nivadibadika tany anaty tanimbary ilay 4×4. Tafavoaka, nipitika ivelan’ny fiara nitondra azy io vehivavy io. Vaky ra ny lohany. Tapitra minitra vitsy taorian’ny loza ny ainy.
Telo naratra mafy

“Vehivavy iray sy lehilahy roa naratra”, araka ny fanamafisan’ny nanatri-maso. Ani­san’ny nitaraina ho nahare marary teo amin’ny tratrany ny lehilahy iray, vadin’ilay vehivavy maty. Efa nentina eny anivon’ny hopitaly manaraka fitsaboana ny olona rehetra naratra. Heverina ho nandeha mafy ity fiara niharan-doza ity raha ny fisehon’ny loza teny amin’ny manodidina sy ny fahavoazana teny an-toerana.
Tetsy ankilany, nanamafy ny nanatri-maso, teny an-toerana nahita ny loza ka nanaovana fanadihadiana, fa tsy nandeha mafy ny fiara. Nidina teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny borigadin’ny lo­zam-pifamoivoizana nanao fanadihadiana ny tranga.
Ora vitsy taorian’ny loza, efa nalain’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay na­moy ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: