Praiminisitra Ntsay : “Hotanterahina anaty fitoniana ny fifidianana”

Namory ireo tomponandraikitra rehetra misahana ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny hafatrafatra napetrany tamin’izany.

«Hiatrika dingana lehibe i Madagasi­kara amin’ny fifidianana kaominaly ho avy izao. Ao anatin’ny fitoniana sy ny filaminana tanteraka no tokony hanatanterahina iza­ny». Io ny hafatry ny Praimini­sitra Ntsay Christian, namory ireo tomponandraikitry ny Tafika sy ny polisim-pirenena ary ny zandarimariam-pirenena, teny Mahazoarivo, ny faran’ny herinandro teo. Nanatrika izany ireo minisitra sy sekreteram-panjakana voakasiky ny raharaha, ny lehiben’ny sampandraharaha… Hanajana ny zo sy ny safidin’ny olom-pirenena tsirairay hanefa ny adidiny ao anaty filaminana. Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy ny filaminana, ka hamafisina ireo fomba sy ezaka rehetra hampanjariana izany.
Paikady 2024-2028 no apetraka amin’izao. Hiasana sy hanomezana vokatra malaky izany, mipaka avy hatrany amin’ny fiainam-bahoaka ato anatin’ny dimy taona ho avy.

Fanafoanana ny tsy fandriampahalemana

Tanjona ny hanafoana ny tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe sy eny ambanivohitra. Eo ny amin’ny fifindra-monina antsokosoko, ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ny fakana an-keriny… Eo koa ny fiarovana ny sisintany sy ny fari-dranomasina, ny famahana ny olan’ny fananan-tany, ny fiomanana amin’ny tandindon-doza sy ny loza voajanahary ary ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro… Atao politika famaizana eo anivon’ny fitsarana ny momba ireo ambana goavana ireo.
Hentitra ny Praiminisitra ny amin’ireo toromarika fanatevenana ireo paikady hampanjakana filaminana sy fandriampahalemana maharitra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mba hisian’ny vokatra mivaingana ho tsapan’ny rehetra, ahazoana manatsara hatrany ny toekarena sy ny seha-pihariana, hampivoarana ny toe-piainan’ny sarambabem-bahoaka.

R. Nd.

Partager sur: