Raha hendry tsy manebaka, raha mahay manoro. Teny mitondra anatra mahery vaika izany. Matetika any amin’ireo lazaina fa «grand maître», tsy amin’ny haiady ihany fa amin’ny taranjam-panatanjahantena rehetra mihitsy, no misy ny fahendrena sy fahaizana. Any amin’izy ireo hatrany ny mpianatra no manontany raha misy zavatra tsy azo na te hahomby. Manoro am-pitiavana ireo ngezalahy na ngezavavy, ao anatin’ny tontolo fa tsy maneso na manebaka velively. Ny feno rahateo tsy mikobana ary ny olo-mahay tsy mba miebo.
Tsy vitsy koa anefa ireo nahazo fahasoavana avy amin’ny «grand maître», tsy mahay mampiasa sy mitahiry amin’ny tokony hampiasana azy fa miebo tena toa vorontsiloza. Manao akoralava mameno tanety. Tsy mba nanao toy ny lambo soso-nify ka tsy manova ny nentin-drazana. Manala baraka sy mamery hasina ny anaran’ireo oloben’ny fahendrena.
Ny mahazo tsy mizara koa anefa toy ny tantely an-tanam-boka, mamy fa tsy foy hohanina. Fahaiza-miaina tsara indrindra ny mizara am-pitiavana satria ny feno tsy mikobana ary ny olo-mahay tsy mba miebo.
Mazana, ny hiseho an-gazety no mahamaika ny federasiona na ireo mpanazatra raha sendra ka mahavita vokatra tsara. Mila fitandremana fatratra anefa izany fa manomboka eo ny fahapotehana sy ny faharavana raha tsy mitandrina.
Mety ilain’izy ireo izany hisintonana mpanohana. Tsy fahadisoana mihitsy saingy ndrao ho fitia ranontrambo, be fihavy fa mora ritra na ho fitia vary aloha, mahafatra-po fa tsy mahavita taona. Ny marina mantsy toy ny vato kiboribory, raha tsy mikodiadia tsy mahita izay iarenany. Ny feno tsy mikobana, ny olo-mahay tsy mba miebo.
Tompondaka