Fampahatsiahivana, fanamafisana… “. Marina ny an’ny filohan’ny Repoblika hoe tsy sehatra ifankahalana sy ifandrafiana ny tanànan’Antananarivo, fa toerana tokony hifanomezan-tanana”. Io ny fanehoan-kevitry ny governora faritra Analamanga sady sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, omaly, ny amin’ny fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Tsy manala ny fahasahiranana ny korontana. Andao ny tomponandraikitra hamaha ny olan’ny vahoaka: ny fahatapahan-jiro, ny lalana ratsy, ny fahasarotan’ny fiainana… Rehefa tsy mandray andraikitra ny tomponandraikitra dia miala tsirairay.
Ramanantsoa Harilala no kandidàn’ny Irmar ho ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Izay manohana ny filohan’ ny Repoblika dia miara-manohana azy avokoa. Tsy manohana ry zareo, raha tsy izay kandidà atolotry ny Irmar. Ahoana no hiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana raha vao miainga ny kandidà dia hoe hanongam-panjakana? Na hanohitra fitondrana no hametrahana azy eo… Anjaran’ny vahoaka ny mandinika hoe: iza no tokony hofidina.
R. Nd.