Vehivavy mpiloka sy mpamono vady : lehilahy voatondraka rano mangotraka

Voa mafy noho ny fahamaizana nianjady taminy ny raim-pianakaviana iray, notondraham-badiny rano mangotraka. Sady miloka, mandripaka ny fananana, no mpamono vady ilay ramatoa.

Raim-pianakaviana iray notondraham-badiny rano mangotraka tao Atsimombohitra, fokontany Soavimasoandro, boriborintany V, ny alatsinainy 7 oktobra teo. Matetika misy olana eo amin’izy mivady ireto noho ny fitiavan-dramatoa miloka tafahoatra. «Tsy vao sambany, zatra nanao karatra ka lany vola tany am-pilokana io ramatoa vadiny io », hoy ny nambaran’i Nambinina Ravo­malala, anabavin’ny lasibatra. Miompy akoho amam-borona, hisasahany amin’ny namany ilay lehilahy. Napetrany amin’ny namany, araka izany, ireo biby fiompy ireo. Nalain’ilay ramatoa vadiny anefa ny akoho iray ka namidiny. “Tsy mbola niteny azy io lehilahy io”, hoy ny loharanom-baovao. Nanao ny fanaony, nalain-dramatoa indray ny vorona iray ary mbola namidiny. Tezitra ilay rangahy vadiny ka raikitra ny fifamaliana. Notondrahan-dramatoa rano mangotraka avy hatrany ity farany. Niezaka niala, ny lamosiny no kila.
Efa fanaony…
Araka ny fitantaran’ny mpiray vodirindrina, efa fanaon’io vehivavy io ny mamono ity lehilahy vadiny ity. “Misy fotoana darohany amin’ny alalan’ny hazo izy”, hoy hatrany ny fanazavan’ny havan’ny lasibatra. Nentina notsaboina avy hatrany ilay lehilahy taorian’ny voina nahazo azy. Efa manan-janaka efatra izy mivady ireto. Nametraka fitoriana eny anivon’ny polisy ny fianakavian’ny lasibatra. Hatra­min’ny fotoana nanoratana, omaly, mbola niriaria teny amin’ny manodidina ilay vehivavy nahavanon-doza. Nen­tina teny anivon’ny hopitaly, nasaina niverina nody noho ny fahasarotan’ny fahavoazany io lehilahy io. Notsaboin’ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny mpanao ody may izy taorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: