Voasambotra, omaly, avokoa ireo telo lahy niray tsikombakomba tamin’ny fandrobana mpampanofa fiara. Mody niantso an’io mpampanofa fiara io ny olona iray fa misy ramatoa bevohoka entina. Nigadona teny amin’ny toerana nifanomezana, lehilahy miisa telo no niandry an’io mpamily io, ny 9 septambra lasa teo. Notifirin’ireo olon-dratsy tamin’ny Big-boss avy hatrany izy. Nentin’ireo tsy valahara tany amin’ny lalam-pirenena fahafito io mpampanofa fiara io ary notakin’izy ireo vola mitetina 30 tapitrisa Ar. Tsy nanana io lelavola io fa valo hetsy niampy 100 euros no tany amin’io nalaina an-keriny io. Nitalaho tamin’ireo mpaka an-keriny izy mba hamotsorana azy. Tsy nanaiky anefa ireo jiolahy raha tsy lasan’izy ireo koa ny vola tao anatin’ny finday. Navotsotra teny Mahazo ilay lehilahy, ny marainan’ny 10 septambra. Namerina nitaky vola tamin’ity farany indray ireo olon-dratsy. Nanao famotorana ny raharaha ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimaria etsy Fiadanana. Sarona tany Ambohimandroso ny iray voalohany. Efa nigadra tamin’ny resaka vono olona ity voasambotra ity. Nosamborina teny Mahazo ny namany, raha toa ka tratra teny 67 ha ny fanintelony. Ity farany izay nampiasa basy tamin’ny fotoana nangalan’izy ireo an-keriny ilay mpampanofa fiara.
Tsiferana R.