“Mila manitsy rafitra i Madagasikara raha te hanana fitoniana”, hoy ny antoko MFM. Ny fiaraha-midinika eo amin’ny mpanao politika sy ny filohan’ny Repoblika no tokonana amin’izany.
Naneho ny heviny manoloana ny fitantanana ny firenena ny eo anivon’ ny antoko MFM, tamin’ny alalan’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Ignace “Ramasy”. Nambarany fa anisan’ny olana eto ny rafitra sy ny olona. Olana hatrany izany na tsara toy inona aza ny rafitra kanefa ny mpampihatra azy tsy alehany. “Efa nandaniana fotoana ela io tamin’ny fihaonan’ireo manampahaizana sy ireo mpanao politika ary ny fiarahamonim-pirenena saingy tsy misy mihaino, ka ho anay, diovy aloha ny tokotany. Anisan’izany ny lalàm-pifidianana”, hoy izy, omaly. Nanteriny fa ny fiaraha-midiniky ny mpanao politika sy ny mpitondra, amin’ny alalan’ny filohan’ ny Repoblika, no tokonana amin’izany. Tsy maintsy miara-midinika isika ka adidin’ny filoham-pirenena ny mampiantso izany. “Tsy fizarana seza sy fiaraha-mitantana ary tetezamita kosa anefa fa natao hanitsiana ny rafitra”, hoy ihany izy.
Nohitsiny fa tsy atokisan’ ny olona intsony ny mpiantsehatra politika satria efa nolotoina sy nanimba tena. Vitsy ireo mpifidy mandray anjara amin’ny fifidianana ka tokony haverina ho dinihina eny amin’ ny antenimiera izany. “Tsy maintsy ny mpanao politika no mitondra firenena fa tsy ny mpandraharaha te hanao politika”, hoy izy. Olana hafa koa ireo mpandraharaha te-hifehy fanjakana. Ny fanararaotana fanaovana asa soa hambaboana ny fon’ireo sahirana. Notsindriny fa tena fitaka bevava avokoa izany ka handiso fanantenana ny vahoaka.
Synèse R.