Fifidianana kaominaly – ben’ny tanàna: 327 amin’ny 5 389 ny vehivavy kandidà

“Amin’ireo 5 389 kandidà ho ben’ny Tanàna, 5 062 ny lehilahy ary 327 ny vehivavy. Toy izao kosa ny salan-taonan’ ireo kandidà ho ben’ny Ta­nàna: 667 no 21 ka hatramin’ ny 35 taona, 2 172 no 36 ka hatramin’ny 50 taona, ary 2 550 no mihoatra ny 50 taona.” Io no anisan’ny fanamarihan’ny filohan’ny Ceni, Andriana­ri­sedo Dama A., tany Antsira­nana, omaly, tamin’ny namoahana ny lisitra ofisialin’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna
sy mpanolotsain’ny Tanàna. Ahitana lisitra mpirotsa-kofi­dina avokoa ireo kaominina miisa 1 695 manerana an’i Madagasikara.
Miisa 5 389 ny fitambaran’ ireo lisitra mpirotsa-kofidina voarakitra ao anatin’ny lisitra ofisialy. Avy amin’ny vondrona antoko politika ny 1 860 amin’ izany. Avy amin’ny antoko politika ny 1 081. Ary avy amin’ny tsy miankina ny 2 448. Eo amin’ ny iray ka hatramin’ny valo kosa ny isan’ny lisitra mpirotsa-kofidina isaky ny kaominina. Toy izao ny fitsinjaran’izany: kaominina valo ahitana lisitra valo, kaominina 30 ahitana lisitra fito, kaominina 68 ahitana lisitra enina, kaominina 152 ahitana lisitra dimy, kaominina 310 ahitana lisitra efatra, kaominina 534 ahitana lisitra telo, kaominina 512 ahitana lisitra roa, kaominina 81 ahitana lisitra iray.
Mahatratra 57 174 ny isan’ ireo kandidà mandrafitra ireo lisitra 5 389, raha 53 479 ny isan’ny kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina tamin’ny taona 2019. Nahitana fitomboana 3 695 na taham-pitomboana 6,90% izany. Araka ny voalazan’ny lalàna, fifidianana lisitra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna amin’ity. Noho izany, ny lohalisitra no hofidina ho ben’ny Tanàna ary ho mpanolotsaina ny mpiray lisitra.

R. Nd.

Partager sur: