FANTINA sy FINTINA

Nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy
parlemanta ny fihaonan’ny filoha lefitry ny Antenimie­ram­pirenena, Andriamananoro Augustin, sy ny delegasion’ny tale lefitra misahana an’i Afrika “Australe” sy ny minisiteran’i Eoropa miaraka amin’ny ranomasimbe In­dianina ary ny masoivohon’i Frantsa, i Alexandre Olmedo, omaly, teny Tsimbazaza. Niaraha-nijery ny ho avin’ny Frankofonia.

Nahitsy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, amin’izao olan’ ny rano sy jiro izao. “Mariky ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra izany. Tsy nanana vina mijery lavitra ny fitondrana na efa fantatra aza ny olana samihafa teto hatramin’izay”, hoy izy.

Namoaka naoty ny eo anivon’ny Ceni fa manan-jo hisoratra anatin’ny lisi-pifidianana ireo tsy tafiditra. Manao fangatahana “Certificat de non-inscription dans la liste électorale” eny amin’ny CED ary mangataka didy hitsivolana eny amin’ny fitsarana mba hahafahana manoratra ny anaran’ilay olona.

Notanterahina teny Faravohitra, afakomaly, ny fihaonana sy fiaraha-midinika tamin’ny minisitry Fitsa­rana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, sy ny Sendi­kàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM). Tao anatin’izany no nanehoan’ny avy eo anivon’ ny minisitera ny fahavononany hifanolo-tanana amin’ny fijerena ireo olana misy eo amin’ny mpirakidraharaha.

Partager sur: