Polisim-pokontany na “quartier mobile” no atidoha nikotroka ny fanafihana kamiao tao Tsiroanomandidy. Nalevin’izy mirahalahy tao an-tokotany ny ampaham-bola nangalariny.
Niaiky heloka fa nanome ny loharanom-baovao rehetra ka nahatontosa ny fanafihana kamiao iray ny andrimasom-pokonolona voasambotra tao Tsiazompaniry, kaominina Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 7 oktobra teo. Niray tendro tamin’ny rahalahiny io tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany voalaza io. Nahafantatra ny fisian’ny volabe nentin’ny mpamily ilay kamiao izy. Nizara ny loharanom-baovao tamin’ny rahalahiny sy ny namany. Notafihan’izy ireo teny an-dalana, araka izany, io fiarabe mpitatitra vokatra io. Voambana fitaovam-piadiana, voaroba ny vola an-tapitrisany. Efa-dahy no niaraka nanao ny fanafihana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Niroso tamin’ny fitoriana teny anivon’ny zandariamaria ny lasibatra. Natao ny fanadihadiana, lehilahy iray izay andrimasom-pokonolona eo an-tanàna no voasambotra. Nibaboka, nitoroka ireo namany ity farany. Noamafisiny tamin’ny alalan’ny famotoran’ny mpitandro filaminana azy raha teo fa zandriny lahy ny iray tamin’ireo mpanafika. Voasambotra koa io zandriny io.
Nasitrika anaty tany
Nitentina 6 000 000 Ar ny anjara vola azon’izy mirahalahy nandritra ny fanafihana. Nomeny ny fianakaviana ny 1 280 000 Ar tamin’io anjara volany io. Nalevin’izy mirahalahy tany anaty tany ny lelavola 2 000 000 Ar sombiny tamin’io anjara azony io. Nofongarina niaraka teo ambany mason’ny zandary io vola io. Nogiazana ary naverina amin’ny tompony. Karohina kosa ireo telo lahy nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana. Notanana am-ponja vonjimaika izy mirahalahy ireto.
Tsiferana R.




