Dadah R’Abel : hisy seho ho fanomezam-boninahitra azy any Paris

Hahazo tombony ireo Malagasy monina any Frantsa. Hitohy any mantsy ny seho ho fanomezam-boninahitra an’i Dadah R’Abel, izay hataona mpanakanto maro, avy eto sy any an-toerana.

Mpamorona anisan’ny manana hira maro sy be mpankafy indrindra i Dadah R’Abel. Velona ao am-pon’ny maro na dia efa nodimandry aza ity andrin’ny tarika Mahaleo ity. Hisy ny seho ho fanomezam-boninahitra an’i Dadah R’Abel, izay hotontosaina any Paris, ao amin’ny Salle Le Millé­naire, Savigny Le Temple, ny sabotsy 26 oktobra ho avy izao. Mpanakanto maromaro no navondron’ny mpikarakara sy ny fianakavian’i Dadah R’Abel hanatontosa izany. Eo ny Mahaleo Taranaka, ahitana an’i Maharo, Rado, Rôrô, Benaivo ary i Tojo Guitariste. Ho avy any koa i Tolotra, izay fanta-daza amin’ny famerenana ny fihira sy fitendrin’i Dadah. Hanampy azy ireo i Tosy, Kaloina ary i Rija Ramanantoanina. Tazana anatin’ny rakitsary fampahafantarana koa ny fandraisana anjaran’Ialy, zanaka vavin’i Dadah R’Abel.
“Ho avy hanome voninahitra izany andrarezin’ny kanto izany izahay, ary tena faly aho handray anjara”, hoy i Tolotra. “Mampanembona ny hiran’i Dadah. Hira avy ao am-po, nitaiza ary manana ny lazany. I Dadah no tena mpamoron-kira tiako, ny fahaizany mamorona ny hira sy ny feony, ny fitendrena gitara feno fanahy… Izay maha Dadah azy izay no ezahanay haverina amin’io fiarahana io”, hoy kosa ny nambaran’i Rija Ramanantoanina.
Marihina fa tohin’ny fanomezam-boninaitra an’i Dadah R’Abel, izay efa natomboka teto Antananarivo ny volana jona lasa teo io. Fotoana izay nanamarihana ny faha-70 taonany tamin’izay, na tsy teo intsony aza izy. Hisy ampahan’ny vola azo harotsaka ho an’ny fikambanana Dadah R’Abel Legacy, izay misahana asa soa ho an’ny mpiara-monina.

Zo ny Aina

Partager sur: