“Tontolo Toly” : nahavory olona maro ny hetsika

Tontosa, omaly, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny “Tontolo Toly”, velakevitra nokarakarain’ny Fari­bolana Sandratra, niresahana mahakasika an’i Toly, Mala­gasy mpanoratra. Tonga nanotrona sy nandray anjara tamin’izany ireo mpanakanto maro avy amin’ny Faribolana Sandra­tra. Teo ihany koa ireo mpianatra sy tanora misehatra eo amin’ny tontolon’ny haisoratra.
Ambohi-pihaonan’ny fianakaviamben’ny haisoratra malagasy ny teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, omaly. Ny momba ny fiainany amin’ny ankapobeny sy ny fisainany amin’ny maha mpamorona eo amin’ny tontolon’ny zavakanto an’i Toly no noresahina nandritra ny “Tontolo Toly”. Mpa­moron-kira manana ny maha izy azy izy, satria maro ireo mpihira sangany nihira ny asa sorany. Anisan’izany i Bessa, Bodo, Rija Ramanantoanina, sns.
Tonga nijoro vavolombelona, nanasongadina ny maha andrarezina an’i Toly, ireo mpanakanto niara-niasa taminy. Anisan’izany Ifanihy, mpihira, sy i Tovo Andrianandraina, izay anisan’ny andrarezina eo amin’ny sehatry ny famoronana.

Lin

Partager sur: