Aiza ho aiza ny ny antoko politika sy ny fanaovana politika amin’izao? Eny, na amin’ny fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ihany aza, ohatra. Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny AKFM, eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Razanatoandro Solofoniaina: “Ny vola no manjaka amin’ny fanaovana politika amin’izao”. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Inona no mahatonga ny antoko politika tsy mandray anjara firy intsony amin’ny fifidianana?
Razanatoandro Solofoniaina (-): Be no mahatonga an’ izay… Amin’ny ankapobeny, ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina. Vonona hatrany hiatrika fifidianana ny antoko. Na izany aza, misy ny fanohanana ny antoko politika: miaraka amin’ny Armada, ohatra, izahay amin’izao. Ao anatin’ny demokrasia isika, tsy azo sakana ny fijoroan’ny antoko politika etsy sy eroa. Manana ny firehany ny rehetra. Ao anatin’ny fiarahamonina toy izao, samy mitady izay lalan-kombana. Ny olana, rehefa mijoro ny antoko politika: tsy hita izay eo. Aiza no maha antoko politika an’izany? Amin’ny lafiny iray, mety mahatsara azy ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina. Tsy izahay no miteny an’izany. Na izany aza, tsy araka ny demokrasia ny anto-bola.
* Inona no hanarenana ny fomba fanaovana politika?
– Tsy manome tsiny ny amin’ny fijoroan’ny antoko etsy sy eroa izahay. Manana ny ideolojianay izahay, manana fandaharanasa… Miteny izahay rehefa misy tsy mety ataon’ny fitondrana: ny fisian’ny anto-bola be amin’ ny firotsahan-kofidina, ohatra, izay mifanohitra amin’ny demokrasia. Nefa izay aloha ny zava-misy. Ny vola no manjaka amin’ny fanaovana politika amin’izao. Hanarenana izany ny fanarenana ny toekarena. Eo koa ny fanorenana fotodrafitrasa lehibe hanarenana ny firenena. Manao an’izay ny fitondrana amin’izao, na tsy fantatra aza izay tena firehany. Izay fanorenana fotodrafitrasa izay no hanarenana ny firenena vokatry ny krizy tamin’ny 1991 no ho mankaty, efa hatrany isika no efa nitolefika.
* Ahoana ny sosialim-bahoaka amin’izany?
– Tsy maintsy amboarina aloha ny toekarena… Vokatry ny fahantrana ny sosialim-bahoaka noho ny krizy hatramin’ny 1991 no ho mankaty. Lalana tsy mety; eo ny fahatapahan-jiro, ny tsy fandriampahalemana… Na izany aza, misy ny ezaky ny fitondrana. Eo amin’ny lafiny diplaomasia, ohatra: efa misy fisokafana. Mba tsy hianteherana foana amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena… Mijery lalan-kafa izany.
Nangonin’i R. Nd.




