Fiaraha-miasa: manohana ny fampandrosoana eny ifotony ny repoblika federalin’i Alemaina

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny ambasadaoron’i Alemaina, i Olivier Knoerich. Voaresaka ny hanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Teo koa ny fifampiresahana momba ny fitsinjaram-pahefana.
Anisan’ny mavitrika amin’ ny fanohanana ny tetikasa eo amin’ny sehatra ny fitsinjaram-pahefana i Alemaina mba ho fanohanana ny fampan­droso­a­na maharitra sy ho fanatsarana ny fiainanan’ny vahoaka eny ifotony. Mifan­draika amin’ny departemantan’ny MFFT rahateo izany ka hitondran’i Ale­maina ny anjara birikiny.
Efa nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralam­bo­firinga David ity ambasadaoro ity nialoha izany. Nam­ba­ran’ny minisitra fa fanamby ny tsy hanafarana entana ilain’ ny mponina andavanandro (PPN) fa hovokarina eto an-toerana izany. «Maika daholo ny zava-drehetra ary zava-dehibe avokoa ny rehetra», hoy izy. Nambaran’ny ambasadaoro kosa fa tombontsoan’ny roa tonta ny manamafy ny fiaraha-miasa.

Synèse R.

Partager sur: